<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>148</hymn_number>
<title>Ry varavaran-danitra o! FFPM148</title>
<lyrics>[V1]
 Ry varavaran-danitra ô !
 Ampandrosoy ny Tomponao,
 Fa fandresena lehibe
 No efa vitany tatý

[V2]
 Moa iza izao Mpanjaka
 izao ?
 Mpandresy iza re izao ?
 Ny lazany manerana
 Ny tany sy ny lanitra.

[V3]
 Io no Kristy Mpamonjy soa
 Nisolo olo-meloka,
 Ka satro-boninahitra
 No mendrika ny lohany.

[V4]
 Anjaranao, ry foko ô !
 Hanompo sy hanaraka
 'Lay Kapiteny lehibe
 Nialoha ao an-danitra ao !

[V5]
 Ry Kristy ô ! Mpanavotray !
 Irinay mba ho hita koa
 Izany voninahitrao
 Sy ny fiandriananao !

[V6]
 Raha tapitra ny andronay,
 Vohay ny varavaranao,
 Ny trano namboarinao
 Honenanay mandrakizay.</lyrics>
<author>W. Boyd</author>
</song>